Ambohimangakely : Fifaninana tetik’asa sy vinan’asa ao amin’ny BTC
Manano sarotra ny tanora ankehitriny ny fitadiavana asa, anisan’ny antony hananganana ny orinasa na ny tetik’asa manokana izany. Mie-maro ireo tanora no miditra amin’ny sehatry ny fandraharahana izany ankehitriny ka izany indrindra no nahatonga ny B-Training Center (BTC) Ambohimangakely hanatanteraka izao fifaninana tetik’asa mendrika izao. Hatramin’ny 30 octobre no handraisana ireo antotan-taratasy ho an’ireo izay hifaninana amin’izany k any « business model » na ny « business plan » na ny « MVP » no ilaina amin’izany.
« Hamporisika sy hanampy ireo olona rehetra manana tanjona ny handray andraikitra ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarenan’i Madagasikara no tanjona amin’ity fifaninanana ity » hoy i Tata, avy ao amin’ny BTC. Maro ireo manana tetik’asa tsara fa ny hoenti-manana amin’ny fanatanterahana izany no tsy mampahomby azy ka isan’ny handrandrain’ireo mpifaninana ny mba hoe tena hisy tokoa ny fanampiana azy ireo. « Matetika dia asaina misoratra anarana izahay fa avy eo tsy misy fanampiana sy fanaraha-maso akory avy eo satria fitia ate halaza fotsiny ny an’ny mpikarakara indraindray ka izay no atahoranay », hoy ny mpianatra manana tetik’asa nentina teto anivon’ny BTC.
Omena vahana ireo tanora mba hanana anjara amin’ny fampandrosoana. Mety mbola misy ny lesoka madinika fa ampiana sy tohanana hatrany izy ireo mba hampivoatra azy hatrany. Ireo olondehibe ihany koa anefa tsy hoe atao ambanin-javatra manoloana izany.
Miora Raharisolo
