ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Efa laharana voalohany tamin’ny Snooker i Judd Trump

Mpilalao sangany amin’ny « Billard anglais » i Judd Trump. Teraka ny 20 aogositra 1989 tao Bristol izy.

Hatramin’ny fotoam-pilalaovany dia efa nahazo fandresena 23 « tournois classés » i Judd Trump ary fandresena 10 tamin’ny fifaninana hafa, anisan’izany ny « Masters 2019 ». Efa laharana voalohany im-betsaka teo amin’ny sehatra iraisam-pirenen’ny taranja ihany koa izy.

Tamin’ny taona 2011 izy no tafiakatra voalohany tamin’ny famaranana ny fiadiana ho tompondaka eran-tany. Resin’i John Higgins tamin’ny isa 18-15 saingy namela tantara nohon’ny nahavitany nanitsana ny tompondakan’ny taona 2010, Neil Robertson sy Martin Gould, Graeme Dott ary Ding Junhui teo amin’ny lalao manasa-dalana.

Laisser un commentaire