ActualitésTsidika

Alasora : Nanatanteraka fisafoana teny ifotony ireo mpitandro filaminana

Manoloana ny tsy fandriampahalemana niseho nisesisesy tato ho ato, saika nanerana ny faritra Analamanga, nisy ny hetsika be midina nataon’ny avy ao amin’ny FIGN sy ny CIRGN Antananarivo ny herinandro lasa iny. Anisan’ny nahazo anjara tamin’izany hetsika fisafoana izany teny amin’ireo toerana manodidina an’ny fokontany Ambohijanaka, Tsilazaina, Alasora ankoatra ny kaominina Itaosy sy Ampitatafika.

« Manao izay azony atao rehetra ny mpitandro filaminana entina hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Ilaina fiaraha-miasa amin’ireo vahoaka anefa ny famongorana ny asan-jiolahy ary ankaherezina indrindra ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona eny amin’ny fokotany » hoy ireo mpitandro filaminana.

« Henjana be ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao, mangataka mba hitohizan’ny hetsika any amin’ireo fokontany hafa ihany koa fa efa mandry tsy lavo loha ny vahoaka » hoy i Toavina, mponina ao Ampahibato Alasora.

Maro ireo fokontany any amin’ireo kaominina ambanivohitra no mitaraina manoloana ny tsy fahandriam-pahalemana. Maniry ny hamerenana indray ny andrimasom-pokonolona sy fametrahana ny « couvre feu » ihany koa izy ireo ahafahana mamehy ny fifevezivezena amin’ny alina, izay anisan’ny mahabe ny asa ratsy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire