PolitiqueTsidika

Inona no vahaolana ho an’ny firenena ?

Tafalatsaka anaty fahantrana lalina ny firenena, tsy misy izay tsy mitaraina ny vahoaka manoloana ny fahasarotan’ny vidim-piainana. Tsy vitsy ireo mandao ny tanindrazana mihitsy mitady ravinahitra any ivelany. « Hijaly foana izahay raha hijanona any Madagasikara, raha teo ho velona aleo mandao ny tanindrazana fa ho faty ao no iafarany » hoy i Aimé, Malagasy monina any Suisse.

Inona no vahaolana ho an’ny firenena ? Misy mpitondra anie isika e ? « Ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena no vahaolana satria izy mihitsy no olana noho ny tsy fahaizany mitantana ny firenena » hoy i Peterasoa, mpandrindra RMDM faritra Fitovinany. « Ny mpiara-miasa amin’ny filoha no mila miova fa tsy maahefhy ny asany, hany ka mila hiady irery izy » hoy kosa ny hafa.

Vahaolana maharitra mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara no tena ilaina eto amin’ny firenena. Isika rehetra mitambatra no vahaolana voalohany, miainga amin’ny tsirairay ny fandrosoana. Safidy ny handroso ka mila manapa-kevitra ny rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire