Hisy hetsika fampirantiana ny asa tanana sy vokatra Malagasy ao Frantsa
Ny voalohan’ny herinandro teo ny filoham-pirenena sy ny delegasionina tarihiny no nihazo an’i Frantsa. Hanatanteraka fihaonana amin’ireo mpandraharaha miteny fratsay izay hivory miaraka amin’ny MEDEF na ny « Mouvement Des Enterprises de France », sy ireo tompona orinasa Frantsay no fantatra fa tena anton-dia goavana alehan’izy ireo any. Ary fantatra fa hanokana fotoana hihaonana amin’ireo Malagasy tsy ankanavaka izay monina sy mianatra ary miasa any an-toerana ihany koa izy ireo mandritra izany fivahinianany izany.
Ny Asabotsy 28 Aogositra ho avy izao no fantatra fa hanatanterahiny izany fihaonana sy fitafana manokana izay hiarahana amin’ireo Malagasy any ampitan-dranomasina, fihaonana izay karakarain’ireo mpiasa ao amin’ny Masoivohon’i Madagasikara ao Frantsa.
Ankohatra izany fihaonana sy fanoavana famelabelaran-kevitra maro samy hafa izany anefa dia fantatra fa hisy ihany koa ny fampirantiana tao-zavatra Malagasy sy vokatra mampihavaka an’i Madagasikara izay an’isan’ny maha kanto sy mampihavaka an’i Madagasikara. « Izahay na aty an-tanilavitra ary dia tsy manadino ny tany niaviana sy ny maha Malagasy anay, ary mihezaka ny manandratra avo hatrany ny maha Malagasy ny tena mba ho reharehan’ny firenena » raha ny fanehoan-kevitra nataon’i Viviane, mpila ravin’ahitra moinina ao Fratsa. » « Tsy latsa-danja amin’ireo asa-tanana vita vahiny raha ny asa tanana vita gasy, ary ny vita gasy indray aza no tena manintona ireo vahiny, anisan’ireo mahavariana azy ny akora nanamboarana azy satria tsy manan-tsahala no voakatsy tsara » hoy i Ricka, mpanao asa tanana matianina no sady mpandray anjara amin’ireny tsenabe iraisam-pirenena any ivelany ireny.
Etsy ankilan’izany anefa, maro ireo Malagasy mba manam-paniriana ny handray anjara amin’ity hetsika ity no nahavoaray mailaka avy amin’ny Masoivoho manambara fa « efa nofaranana ny lisitra ny amin’ireo olona afaka hanatrika ny fihaonana amin’ny filoha ny 28 aogositra izao ». « Azo lazaina fa tahotra ny hiady hevitra ho fanehoana ny tsy fankatohavan’ireo Malagasy monina aty ampita ny fitondrana misy ankehitriny no mahatonga izany, hany ka tsongaina manokana ireo olona mahazo manatrika » hoy indray Holy, mpianantra mandrato fianarana ao Frantsa.
Fanja Rakotoarisoa
