Hatsaraina ny kalitaon’ny fampianarana
Hanolotra fitaovana fikirakirana sy fampiharana taranja siantifika ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ka lisea enina amby sivifolosy sy CEG miisa efatra ambin’ny folo amby zato no hisitraka izany.
Hoentina hampiroboroboana sy ho fahafehezana ireo taranja siantifika dia hahazo fitaovana fikirakirana sy fampiharana taranja siantifika ireo mpianatra sy mpampianatra amin’ny lisea sy CEG maro amin’ny faritra sivy eto Madagasikara : Analamanga, Vakinankaratra, Boeny, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Atsinanana, Atsimo Atsinanana ary Atsimo Andrefana.
Boky fianarana taranja siantifika ho an’ny mpianatra, boky tari-dalana ho an’ny mpampianatra, fitaovana maro natokana ho an’ny toerana na efitrano fanaovana andrana na fampiharana ireo taranja siantifika ary boky ahitana ireo fiofanana tokony hatao no hositrahan’ireo sekolim-panjakana ireo amin’izany. Ity ezaka fanatsarana ity dia tafiditra indrindra ao anatin’ilay tetik’asa fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana, vatsian’ny « Agence Française du Développement » vola, izay mifanindran-dalana amin’ny velirano fahaefatra napetraky ny Filoham-pirenena. « Ho tonga soa aman-tsara eny anivon’ireo sekoly andefasana azy ireo fitaovana sy fampitaovana rehetra ireo satria hitohy amin’ny herinandro ny fandefasana azy manerana ireo faritra sivy ireo. Ny mba hiverenan’ny fitiavan’ireo ankizy mpianatra ireo taranja siantifika no tanjon’izao ezaka ataon’ny fanjakana izao », hoy ny fanamarihana nataon’ny Tale misahana ny Fampandrosoana ny Fampitaovana sekoly, Razafimanantsoa Elisah.
« Tsara ilay tetikasa, fa kosa raha ny any amin’ny faritra misy anay manokana, maro ireo mpampianatra no tsy mahafehy ny teny frantsay. Raha te hanatsara ny fampianarana ny Ministera dia any ifotony no mila fanatsarana voalohany. Mpampianatra mahay miteny sy mampianatra teny frantsay no ilain’ny sekoly » aloha raha ny fanehoan-kevitr’i Noro, mponina any ambanivohitr’i Vatovavy. « Raha tena hoe fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy fampiroboroboana ny taranja siantifika dia tokony hiara-hisitraka daholo ny Lisea sy ny CEG rehetra », izay kosa no fahitan’i Rene, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra iray eto Antananarivo. Nankasitraka ny ezaka nataon’ny Ministera kosa ny mpianatra toa an’i Bako izay nilaza fa tena ilaina amin’ny fampitana lesona mivantana tokoa ireo fitaovana ireo’’
Inoana hitondra fahatsaran’ny tahan’ny voka-panadinana izao tolotra ataon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izao. Fa raha ireo any ambanivohitra manokana, ahoana kosa no mety ho antoka fa ho voafehin’ny mpianatra sy ny mpampianatra ireo boky sy fitaovana ireo ?
Tsangy Randriamampianina
