SocialTsidika

Manomboka ny tetikasa « Asa Avotra Mirindra » ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany

Tafiditra ao anatin’ny paikady fanatsarana ny fari-piainan’ireo fianankaviana marefo ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, Manakara, amin’ny alalan’ny fampitomboana ny vola miditra ao an-tokantranony sy ny fampitomboana ny vokatra eo amin’ny sehatry ny fambolena ny tetikasa « Asa Avotra Mirindra », izay tohana ataon’ny DRAEP sy iaraha-miasa amin’ny FID.

Tanteraka ny tsatok’angady ho fanamarihana ny fanombohan’ny tetik’asa Asa Avotra Mirindra tao Manakara. « Efa tafiditra amin’ny andihany faha 11 izao ny fanatontosana ny tetik’asa, ary tokatrano miisa 731 izay miparitaka amin’ireo Fokotany 5 any an-toerana no hisitraka ny fandaharan’asa » raha ny fanambaran’ireo tompon’andraikitra misahana ny tetik’asa. « Marihina ihany koa fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika an-kapoben’ny Fitondram-panjakana sy ny velirano faha 9 mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo » hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.

Nandritra izany ihany koa no nampahafantarana an’ireo mpisitraka ny anjarara andraikitry ny Ministeran’ny Mponina mahakasika ny tetik’asa sy nanentanana azy ireo ny hanohizana ny ezaka sy fikarakarana ireo vokatra azo tamin’ireo asa vita teo aloha, « Asa Avotra Mirindra dia asa fiahiana ny mpiara-belona hanampiana ireo ankohonana sahirana izay tanterahina amin’ny asatanamaro ary asa atakalo vola » rah any fanazavany.

« Maneho fisaorana ny fitondram-panjakana tanteraka ny vahoaka eto Manakara satria tsy very anjara izahay amin’ny asa fampandrosoana » hoy i Lala, solotenan’ny mponina.

Miroborobo sy azo tsapain-tanana tanteraka ankehitriny ny vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny FID sy ny DRAEP.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire