ActualitésTsidika

Alasora : Nisy ny fihaonana mivantana amin’ireo vehivavy mpandraraha

Nisy ny fihaonana mivantana nataon’ireo vehivavy mpandraraha omaly tao Alasora. Marihina moa fa efa andiany faharoa tamin’ny hetsika izay nokarakaran’izy ireo ity hetsika ity. Maro ny soa nifampizarana tamin’izany, tao ny « développement personel, ny purification et deblocage, ny meditation » sy ny maro hafa.

Nisy ihany koa ny fisarihana izay nahazoana fanomezana tsy nampoizana nandritra ny fifampizarana izay natao. Natao moa ity hetsika ity mba hentina hanampiana ireo olona rehetra te hisehatra ao anaty fandraharana sy ho an’ireo olona rehetra te hahafatra bebe kokoa mahakasika izany.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire