Tsidika

Ambatondrazaka : mitohy ny fanaganana ny Centrale Solaire Hybride

 

Mipariaka eraky ny faritra maro  eto Madagasikara ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny Masoadro. Anisany faritra hisitraka izany ny any Ambatondrazaka satria efa mifaraparana ny asa fananganana anya an-toerana ankehitriny. Araka ny tatitra dia mizotra tsara ny asa fanamboarana ny centrale solaire hybride ao Tsararivotra, ao amin’ny fokontany Ambohimandroso sy Antanambehivavy, kaominina  Ambatondrazaka.

« Efa mamarana ny asa ka mametraka ireo andrin-jiro sy taroby mitondra ny herinaratra hamatsy ireo tanàna manodidina izahay amin’izao fotoana izao. Velaran-tany 5 Ha no misy ny centrale solaire hybride, misy panneaux solaires miisa 3.000 mahery ary hanana tanjaka 2 MWc. » hoy ny tompon’andraikitra.

« Araka ny asa izay efa an-dalam-pahavitana dia hisitraka famatsiana herinatra azo avy amin’ny herin’ny Masoandro ihany koa ny Fokontany maromaro eto Ambatondrazaka. Zava-dehibe ny fanana foto-drafitrasa ekolojika tahaka izao  satria fanta-tsika tsara ny tombony entin’izao tetikasa izao eo amin’ny fiainana andavanandron’ny tokantrano tsirairay fa indrindra eo amin’ny tontolo iainana. Sady misitraka herinaratra isika no manaja sy mikolo ny tontolo iainan-tsika. » hoy ny solon-tenam-panjakana any an-toerana.

Nohon’ny olan’ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara dia naroso ho vahaolana amin’izany ny fananganana foibem-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny  herin’ny Masoandro  any amin’ireo faritra mbola tsy misy herinaratra.  Amin’ny akapobeny dia ireo faritra Ambanivohitra no hanatanterahana ny tetikasa.

Miranto Andriharisoa

Laisser un commentaire