Toliara : Trano iray may tao afovoan-tanàna
Trano iray no may tao Tsimenatsy-I ouest omaly tokony ho tamin’ny 6 ora maraina teo. Niitatra tamin’ny trano teo akaiky ny afo ka nahamay ny tafony ihany koa. « Tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo, fa raha ny fantatro dia court-circuit nateraky ny finday nifahana no nitarika izany » hoy i Jenny mponina ao an-toerana. « Nisy nilaza fa ny «compteur» jiro mihitsy no nipoaka nahatonga io fahamaizana io » hoy kosa ireo mpanadihady misahana ny raharaha. Marihina fa efa nisokatra ny fanadihadiana momba izay tena niteraka ny hain-trano.
Nifandrimbona tamin’ny famonoana afo kosa ny mponina ary tonga teny an-toerana ihany koa ny mpamonjy voina saingy sahirana nohon’ny haterin’ny lalana. Ora iray tao aorian’ny isehoan’ny hay moa vao tonga ny mpamonjy voina, raha ny fanazavan’i Jenny, ka ora vitsivitsy vao voafehy izany. Tsy nisy kosa ny aina nahafoy.
Hasina Rasamimanana
