ActualitésTatitra

La Réunion : Nanolotra vahaolana ny CCAS hiala amin’ny fitokana-monin’ireo zokiolona

Mba hanamafisana ny fifandraisan’ireo taranaka (génération) mifandimby ary hiala amin’ny fitokana-monin’ireo zokiolona dia nitondra vahaolana ny CCAS ao Saint-Denis. Namokatra asa sivily 40 antsoina hoe « Service Civique Solidarité Senior » izy ireo mizara amin’ireo tanàna ao Saint-Denis.

Natao ho an’ireo tanora 16 hatramin’ny 25 taona io tolotr’asa io. Mandeha any amin’ireo zokiolona ireo ary mamaritra ny filàny, mampanakaiky azy ireo amin’ny zony amin’ny alàlan’ny fitarihana azy makany amin’ny serivisy ao amin’ny CCAS, ary mikarakara fitsidihana fiaraha-mientana any an-tranon’ny zokiolona mba hiadiana amin’ny fitokanan’izy ireo no isany andraikitra fototr’ireo tanora ireo.

Ao amin’ny tranokalan’ny « service civique » no hisoratana anarana amin’io asa io. Tsy misy ny marim-pahaizana sy ny traikefa takiana saingy tsy maintsy manana zom-pirenena frantsay na teratany Eoropeana na avy amin’ny firenena hafa fa efa nipetraka ara-dalàna tao France nandritra ny herintaona mahery no mahazo manao io asa io.

Laisser un commentaire