ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mirongatra ny asa fanendahana eny amin’ny fokotany Ambohitrarahaba

Mitaraina, ary manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambohitrahaba sy ny manodidina amin’izao fotoana izao, mahakasika ny tsy fahandriampahalemana. Mirongatra ny asa fanendahana ao an-toerana, indrindra fa amin’ny alina, araka ny voalaza.

« Tena mirongatra be ny asa fanendahana eto faritra Ambohitrarahaba sy ny manodidina, lasibatra avokoa ireo taraiky avy miasa alina. Efa ampolony ireo niharan’izany tety an-toerana ary ny mahaza-doza azy dia miaraka amin’ny antsy ireo mpanao ratsy » hoy i Rado, mponina ao Ambohitrarahaba.

« Miantso ny mpitandro filaminana mba hijery ny zava-misy, hanatanteraka fisafoana, indrindra amin’ny alina fa tena manjaka ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao » hoy i Jean, tompona tsenam-barotra iray.

Ilaina ny fiara-mientana avy amin’ny tsirairay manoloana ny tsy fahandriam-pahalemana misy. Samy tompon’andraikitra avokoa ny rehetra amin’ny fifanomezan-tanana na fahitana tranga hafahafa mahakasika ny tsy fahandriam-pahalemana. Ary tsy tokony hiandry amin’ny fampandrenesana ny mpitandro filaminana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire