Bickaville : Fianarana sa finday ?
Nisehoana trangana herisetra nataon’ny tompon’andraikitry ny sekoly iray tao Bickaville. Naneno tsy nahy tao am-pianarana ny findain’ny mpianatra iray. Nalain’ny mpampianatra avy hatrany izany ary nateriny tao amin’ny Proviseur.
« Rehefa mianatra dia vonoina foana ny finday. Nisy fotoana adino ny namono azy ary naneno tao am-pianarana ilay izy. Nalain’ny mpampianatra izany ary nomeny ny proviseur » hoy ny mpianatra iray, kilasy famaranana, ao amin’ny lisea Brickaville. « Safidy roa no nomen’ny Proviseur nony naka ilay finday. Na omena ny finday miaraka amin’ny taratasy rehetra mikasika ilay mpianatra izay tsy hahafahany mianatra sy manala fanadinana BACC ao amin’ny sekoly intsony. Na tsy omena ny finday dia mitovy amin’ny mpianatra rehetra ihany » hoy i Fatima, mponina ao Brickaville. Tezitra ilay mpianatra ka naka ny finday sy ny taratasy rehetra.
Efa betsaka ihany koa ny mpianatra tratran’ny herisetra tahaka izany ao Brickaville. Tokony handraisan’ny tompon’andraikitra fepetra mihitsy. Simba ny hoavin’ny ankizy, hanao ahoana ny hoavin’ny taranaka?
Nicole Rafalimananjara
