SportTsidika

Talata Volonondry : Miezaka mampilalao hatrany ny Kaominina

Nisy ny fampilalaovana ireo sokajy zokiny amin’ny taranja baolina kitra tao Talata Volonondry omaly. Ny avy ao amin’ny TMFT no nibata ny amboara tamin’izany.

« Isaorana ny ben’ny tanàna manome sehatra tsara anay efa zokiny itony amin’ny taranja baolina kitra. Fanatanjahan-tena tsy mifidy taona tokoa izy io » hoy i Albert, mponina ao Talata Volonondry. « Miezaka hatrany isika mampandroso ny tontolon’ny fanatanjahan-tena eto amintsika. Tsy ny tanora ihany no hotohanana fa eo ihany koa ny sokajin-taona rehetra » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona.

Miezaka mampilalao hatrany ny mponina ao aminy ny kaominina Talata Volonondry. Hirariana hiroborobo hatrany ity taranja ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire