ActualitésTsidika

Fanabeazana : Mila omena lanja hatrany ny famakiam-boky

Miisa 31 257 ny boky fampianarana voaangona teo amin’ny Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny fampitaovana an-tsekoly. Efa nanomboka ny volana Novambra 2021 lasa teo ny fanangonana ireto boky ireto.

« Ny 3 378 tamin’ireo boky ireo dia voatokana hozaraina amin’ny sekoly voafantina ao amin’ny faritra Atsinanana. Mpianatra maherin’ny 10 300 eny amin’ny sekolim-panjakana ao amin’ity faritra ity no misitraka izany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. « Ilaina ny mamaky boky. Tsy maintsy misy fahaizana mitombo foana rehefa mamaky boky. Harena io kanefa tsy mandany vola be. Tokony hampiroboroboina hatrany ny fanomezan-danja ny boky eto amintsika » hoy i Mahery, mpankafy mpamaky boky.

Notanterahina ny alatsinainy teo, tamin’ny alalan’ny « Club d’Excellence de Madagascar » ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo boky natokana ho an’ny faritra Atsinanana ireo. Antenaina fa hanampy betsaka ny tontolon’ny fanabeazana ireto boky ireto.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire