Politika : Mihafantatra tsikelikely ny antoko miarakaraka
Nanamafy ny antoko Hiaraka Isika sy ny antoko Avana fa hanohana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Manome fotoana ireo mpanohitra sy ny mpanao politika amin’ny fifidianana amin’ny 2023 izy ireo.
« Na inona na inona fanaratsiana sy fanenjehana ary sedra lalovan’ny filoham-pirenena. Manamafy hatrany izahay amin’ny hanohananay ny fitondram-panjakana ankehitriny izahay » hoy ny Jeneraly Camille Vital, filoha mpitarika ny antoko Hiaraka Isika. « Hanohana amin’ny fanatanterahana ny fandaran’asan’ny filoham-pirenena izahay na eo aza ny fanoherana bontolo. Tsy atao sakana izany. Eny fa na mandalo krizy ihany koa aza isika amin’izao noho ny covid-19 sy ny ady any Ukraine » hoy i Dr Jean Luois Robinson, filoha mpitarika ny antoko Avana.
Tsy voatery homena seza akory ny tambin’ny fanohanana, tahaka ny ataon’ny antoko hafa izay midongy raha vao tsy mahazo seza minisitra hoy hatrany izy ireo. Ny tombontsoan’ny firenena no tena jerena.
Nicole Rafalimananjara
