Ampitatafika : Kodiaran-droa nifandona tamin’ny fiara Sprinter
05 Aprily, 08h00. Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Ampitatafika androany maraina manodidina ny tamin’ny 8 ora teo. Kodiaran-droa no nifandona tamin’ny fiara Sprinter tamin’izany. Tsy nisy ny aina nafoy saingy naratra mafy ireo lehilahy roa nitaingina ny kodiaran-droa.
