Dépêches

Croix Rouge Malagasy: Mandray mpilatsaka an-tsitrapo vaovao

Dépêche 09 mai, 12h, Amin’izao  fankalazana ny andro irasam-pirenenan’ny « Croix rouge » sy fankalazana ny faha 60 taonan’ny « Croix rouge Malagasy » izao dia misy ny fandraisana mpikambana vaovao. Manodidina ny 10 000 amin’izao fotoana izao ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’izy ireo raha miisa 120 kosa ny mpiasa raikitra. Olona vonona hanome maimaimpona ny fotoanany ho an’ny mpiarabelona ary tsy mpikarama no atao hoe mpirotsaka an-tsitrapo ka izany no tedavin’izy ireo amin’izao. Hanamaivana ny fahasahiranan’ny mpiara-belona no tena antom-pisian’ity fikambanana ity. Ankoatra ny resaka vonjy aina dia miasa amin’ny sehatry ny fanabeazana, fahasalamana ary ny fanentanana ihany koa ny Croix Rouge Malagasy. Azonao atao ihany koa manampy ny mpiara-belona ka miditra ho mpikambana.

Laisser un commentaire