Nihemotra ny fidirana ho amin’ny taom-pianarana vaovao eny amin’ny Oniversite
06 Oktobra, 09h50. Nahemotra ho amin’ny 8 Novambra izao ny fidirana ofisialy ho an’ny taom-pianarana 2020-2021 ao amin’ny Oniversite Fianarantsoa sy Antananarivo. Izany dia vokatry ny fitokonana ataon’ny mpandraharaha sy ny mpampianatra mpikaroka ary ny mpikaroka mpampianatra nandritra ny 1 volana mahery izay. Mbola tsy nivaly hatreto ny fangatahan’izy ireo ny amin’ny tambin-karamany ka maro ny asa no mikatso toy ny fakana diplaoma.
