DépêchesTsidika

BEPC 2023 : Mampitandrina ireo mpanakorontana ny Ministeran’ny fanabeéazam-pirenenena

Nandray ny andraikiny ny Ministera mikasika ny feo niely teny amin’ny tambajotran-tserasera amin’ny fisian’ny fanaparitahana sy fivarotana laza adina hosoka nialoha sy nandritra ny fotoanan’ny fanadinana. Nampahatsiahy izy ireo fa misy ny lalana manokana manameloka ny mpanao hosoka manodidina ny fanadinam-panjakana toy izao. Helohin’ny lalana ihany koa ireo izay manapritaka na mizara laza adina hosoka.

Araka izany dia nampitandrina ireo izay nanely ity resaka ity ny Ministera tompon’andraikitra mba hanaja ny filaminana mandritra ny fotoam-panadinana mba tsy hisian’ny olana. “ Raharaha iandraiketan’ny fanjakana ny fanadinana tahaka itony ary indrindra asam-panabeazana  ka tsy ivazivaziana. Raha misy ty fahatrarana fandikan-dalana na toa inona na toa inona endriny ka manointoina ny filaminana amin’ny fanatanterahana ny fanadinana dia iharan’ny sazy avy hatrany.” hoy ny avy amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

“Entanina isika mpiadina na ray aman-dreny mba tsy ho voarebirebin’olo-tsy fantatra mahakasika ny fisian’ny laza adina amidy etsy sy eroa amin’izao. Lainga sy hosoka izany ary aoka isika ho sahy hitoroka raha sanatria tojo izany.” Hoy ny avy amin’ ny tompon’andraikitra misahana ny filaminana mandritry ny fanadinana.

Somary nanaitra ireo mpiadina ihany koa anefa ity tranga ity raha araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo ihany. “ Naheno tamin’ny ankizy izahay fa hoe misy mivarotra sujet hono. Tsy mampino aloha ilay izy sady koa efa nanomana tsara nandritran’ny taom-pianarana dia hatrehina izay mipoitra ao fa tsy mieritreritra an’izany intsony.”hoy i Larissa mpiadina Ny  Alakamisy ho avy izao araka ny fandaharam-potoana no hifarana ity fanadinam-panjakana  BEPC ity. Ny fitsarana ny taratasim-panadinana kosa dia aharitra  2 herinandro herinandro eo ho eo araka ny fanambaran-dRamatoa Marie Michelle Sahondrarimalala Minisitra.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire