Maurice : Hiverina hisokatra ny zotra an-dranomasina mampitohy ny nosy sy Rodrigues
Naverin’ny MSCL (Mauritius Shipping Corporation Ltd) ny zotra an-dranomasina mampitohy ny nosy Maurice sy Rodrigues amin’ny alalan’ny MV Trochetia. Ny 17 jolay izao no hisy fitondrana mpandeha voalohany raha ny fanazavan’ny talen’ny MSCL, Dinesh Babajee.
Raha ny fanadihadiana nataon’ny tompon’andraikitra kosa dia fantatra fa mponin’i Maurice sy Rodrigues ary mpiseradia maro no efa niandry io fisokafana io. Hatreto dia dia indroa isam-bolana no hisy zotra hampifandray Maurice-Rodrigues-Maurice saingy raha miakatra ny tinady dia hampiakaria izany hoy ny tompon’andraikitra.
Efa nanomboka omaly 4 jolay kosa ny famarotana ny tapakila hamandriana toerana. Marihana fa mpandeha 106 isa farafahabetsany no zakan’ny sambo MV Trochetia.
