ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Miisa 337 ireo mpiadina ny fanadidinana BEPC ao amin’ny foibe toeram-panadinana

Nizotra am-pilaminana ny fanombohan’ny fanadinam-panjakana BEPC, ny alatsinainy teo, tao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Miisa 337 ny mpiadina ny fanadinam-panjakana ao amin’ny foibem-panadinana, CEG Talata Volonondry, araka ny voalaza.

« Nanomboka ny andro voalohany nanombohan’ny fanadinana teto amin’ny CEG Talata Volonondry dia nandray ny andraikiny hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny fampandehanana ny fanadinana teto an-toerana, anisan’izany ny avy amin’ny kaominina » hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina.

« Hery lehibe ho an’ny mpianatra ny fanohanana amin’ny androm-panadinana tahaka izao. Hisaorana ny tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina satria ankoatra ny fanohanana ara-tsakafo dia teo ihany koa ny ara-moraly izay tena ilain’ny mpianatra indrindra amin’izao fotoana izao » hoy i Mirana, mpampianatra.

Manao ezaka hatrany ny tompon’andraikitra ao an-toerana amin’ny fanampiana sy fandraisana an-tanana ireo mpianatra ao an-toerana. Ho fankaherezana sy fanohanana ireo mpianatra miatrika fanadinana dia nizara tohan’aina ho an’ireo mpianatra izy ireo.

Manitra R.

Laisser un commentaire