ActualitésTatitra

France : Vosamabotra noho ny fikasana nanao herisetra ara-nofo ny zanak’i Michel Fourniret

Olona nalaza ratsy tao France sy Belgique i Michel Fourniret. Mpanolana, mpanao herisetra ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona ary mpamono olona (tueur en série) izy izay namoy ny ainy tamin’ny 10 may 2021 tao Paris. Niampita tany amin’ny zanany, Selim Olivier, 35 taona, ihany koa ny fanaon-dratsiny. Raha fanazavana dia voasambotry ny manam-pahefana tao Nice, Alpes-Maritimes io lehilahy io noho ny fikasana nanolana tovovavy 16 taona.

Hatrany am-bohoka i Selim Olivier dia efa nampiasan’ny ray sy reniny tamin’ny asa ratsiny. Izy no nataon’izy ireo fisarihana olona hanatona talohan’ny nanolanany sy namonoany izany olona izany. Marihana fa teraka tamin’ny anarana Fourniret kosa i Selim Olivier saingy nahazo alalana tamin’ny fitsarana nanova anarana.

Laisser un commentaire