ActualitésTatitra

Etats-Unis : Ankizy fito no niaina tao anaty fahoriana tanteraka

Tsy nino ireo manam-pahefana raha nitsidika ny tranon’ny ankohonana Robertson tao Pennsylvanie. Mpivady iray no nipetraka niaraka ny zanany fito tao anaty trano iray feno maloto, voalavo am-polony, biby kely ary fofona ratsy. Raha ny fanazavana dia nihidy gadana ihany koa ny vata fampangatsiahana tao amin’io trano io mba tsy akan’ireo ankizy ny sakafo ao anatiny.

Marihana fa kisendrasendra no nahitan’ireo polisy tao Pennridge io trano io. Sendra nandalo tao an-toerana izy ireo no nahita ny zanaka vavy roan’io tokantrano io, 12 sy 14 taona. Izy ireo no nanondro ny trano nonenany ireo manam-pahefana ary rehefa nakao an-toerana ireto faray dia nahita ankizy dimy hafa 4 hatramin’ny 16 taona tao amin’ny trano.

Rehefa natao kosa ny fizahana ireo ankizy dia fantatra fa tsy ampy sakafo izy fito, voan’ny Covid 19 ny roa ary voan’ny « insuffisance rénale » ny roa hafa. Tsy mbola nisy nandia sekoly ihany koa ireo ankizy ireo ary raha ny fanazavana dia tsy mahalala ny daty nahaterahany akory. Manoloana ny tranga kosa dia nosamborina ny ray sy ny renim-pianakavian’io tokantrano io saingy efa tafavoaka rehefa nandoa ny 10% ny lamandiny izay nitentina 100 000 dollars.

Laisser un commentaire