ActualitésTsidika

Fahasalamana : Nahitam-bokany ny ady amin’ny aretina tazomoka tao anatin’ny dimy taona

Nandritra ny dimy taona izay ny tetik’asa Vectorlink no niady tamin’ny tazomoka ho an’ny miisa 12 teto Madagasikara. Nanaisotra ireo toerana fanatodizan’ny moka eny anivon’ny tanimbary maherin’ny 8 000 ha ny tetikasa tamin’izany. Nahomby ny hetsika satria dia ankizy atsaky ny dimy taona miisa 900 000 ary vehivavy bevohoka miisa 200 000 no nahazo tombontsoa tamin’ity tetikasa ity.

« Tsara ny vokatry ny hetsika raha ny antontan’isa no jerena. Olona hatramin’ny 6 tapitrisa no voaaro. Ankoatra izay dia efa samy resy lahatra ny rehetra ny amin’ny fampiasana lay misy odimoka. Mahazo fitsaboana maimaimpoana ny vehivavy bevohoka. Tsara ny ezaky ny rehetra izay niara-niasa ka afaka ny hanafoana ny tazomoka eto Madagasikara isika raha mitohy ny fiaraha-mientana », hoy ny avy ao amin’ny USAID, tompon’ny tetik’asa.

Tsy nionona tamin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny tontolon’ny tazomoka irery anefa ny tetik’asa fa nahazo tombiny ihany koa ny ara-tsoasialy. Araka izany dia vokatsoa maro no nositrahan’ny vahoaka tamin’ity ady amin’ny tazomoka ity.

« Anisan’ny tombony lehibe azo avy tamin’ity tetikasa ity koa ny fanomezana asa ho anay vahoaka. Tafiditra tamin’ny asa azo tamin’izany ny famendrahana, ny fanentanana na koa mpiasa mpanofana. Nanampy tosika anay ara-toekarena izany nahafahana nampandroso ny toeram-ponenanana rehetra », hoy ny solontenan’ireo mponina mpisitraka ny tetik’asa.

Marihina fa mbola mitohy hatrany ny ady, mbola tsy vita izany. Ny tazomoka moa izay anisan’ny aretina mahafaty olona betsaka indrindra aty Afrika ka tokony hofongorina haingana. Izany no ilaina ny fahatapahan-kevitry ny tsirairay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire