Ambohimangakely: Nanolotra fitaovana enti-mamita ny fanamboarana sekoly ny kaominina
Nanolotra fitaovana entina mamita ny fanamboarana ny sekoly katolika ao Tsarahasina, ny avy amin’ny fiadidiana ny kaominina Ambohimangakely, ny alarobia teo. Fitaovana isan-kazany toa ny simenitra, ny loko ary kojakoja amin’ny fanamboarana trano no natolotra tamin’izany, araka ny voalaza.
« Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny lafin’ny fanabeazana ny fananganana foto-drafitr’asa tahaka izao ka rariny raha tohanana sy tolorana fanampiana. Ary ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ihany koa ny fampandrosoana ny lafin’ny fampianarana » hoy ireo tompinandraikitra ao an-toerana.
« Ny hetsika tahaka izao no tena handrasan’ny vahoaka ary dia hisaoana ny tomponandraikitra tokoa ny tolo-tanana ataony. Mbola maro anefa ireo sekoly ety an-toerana, indrindra ny EPP no mila fijerena ihany koa ary tsy tokony atao ambanin-javatra » hoy i Lucien, mponina ao Ambohimangakely.
Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny fanohanana ny fampianarana sy ny fanabeazana. Ilaina tokoa ny fifanomezan-tanana satria tokoa izay ihany no hery ahafahana managana foto-drafitr’asa, indrindra ho an’ny taranaka malagasy.
Manitra R.
