Ilaina hatrany ny fifanentanana amin’ny ady amin’ny Covid-19.
Zava-dehibe ny fampianarana ny olom-pirenena amin’ny lafiny rehetra. Mbola sarotra ny fampianarana ny olona tsy handika lalàna eto Madagasikara. Samy manana ny fomba fisainany ny olona rehetra ka izay mety amin’ny hafa tsy mety amin’ny sasany. Tokony handraisan’ny vahoaka Malagasy lesona ny toe-javatra miseho manoloana ny valan’aretina tahaka izao indrindra. Samy manahy ny amin’ny mety hiverenan’ny fihibohana eto Madagasikara avokoa ny rehetra amin’izao fotoana, na dia tsy nilaza izany azan y filoha tamin’ny asabotsy teo. Mihagoragora mantsy taotato ny fanajana ny fepetra rehetra. Tsy tokony hiditra amin’ny fanasaziana avy hatrany koa anefa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Izany indrindra no nanaovan’ny Polisim-pirenena fanentanana ny mponina aloha. Nisy araka izany ny fampianarana ny olona eny an-dalambe sy ireo fiara mpitatitra. Nanao antso avo izy ireo mba hanentana ny olona amin’ny fampiarana ny fepetra sakana. Nizara arovava sy fitaovana hampiasain’ny mpamily taxibe ihany koa izy ireo. Mialohan’ny hirosoana amin’ny fanasaziana, tena ilaina aloha ny fampianarana ny olona tahaka izao mba hitandreman’ny tsirairay manoloana ireo fihetsika tsokony hatao na tsia. Antenaina ihany koa ny fahatsapan-tenan’ny olom-pirenena tsirairay manoloana ny valan’aretina izay tsy mitsaha-mitombo ankehitriny.
Fanilo Rarivoarilala
