Naneho hevitra mahakasika ny toe-draharaham-pirenena ny filoha
Niakatra matetika tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny filoham-pirenena nandritran’ny fotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana. Isaky ny 15 andro hatrany no nanaovana izany mandra-pahalefin’ny valan’aretina Coronavirus ny volana Oktobra 2020 lasa teo. Teboka maromaro no nomena ny vahoaka mandritra izany. Anisan’izany ny fepetra hiatrehana ny valan’aretina sy ny maro samihafa. Niverenany amin’ny fandaharana manokana hiresahana amin’ny vahoaka Malagasy indray izy ao anatin’izao fotoana mampirongatra ny valan’aretina izao. Teboka maromaro no noresahiny nandritra izany ny asabotsy 20 martsa lasa teo. Anisan’izany ny fiverenan’i Madagasikara indray ao anatin’ny ady amin’ny coronavirus. Tsy mbola misy aloha hatreto ny fihibohana fa saingy kosa miezaka manamafy ny fepetra sakana ny tsirairay. Nasongadiny manokana tamin’izany ny fizarana indray ny Cvo sy ny fanaovana “scanner” maimaimaimpoana ho an’ireo izay marary. Ankoatra izany, efa fanaon’ny filoha ihany koa ny miresaka ny raharaham-pirenena rehefa amin’ny fotoana toy ireny. Anisan’izany ny vatsim-pianarana izay olan’ny mpianatra ankehitriny. Hisy araka izany ny lamina vaovao hapetraka eny anivon’ny anjery manontolo. Eo ihany koa ny raharaha volamena sy ny drafitra hapetraky ny fanjakana amin’ny hampandrosoana an’i Madagasikara. Mandray ny tandrify azy araka izany ny rehetra taorian’iny fandaharana manokana iny.
Fanilo Rarivoarilala
