Fifidianana eto Madagasikara : Vonona hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny fifidianana mangarahara sy demokratika ny Union Européenne, i France ary Allemagne
Nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety natao tao amin’ny foiben’ny CENI Alarobia ny 06 jolay no nanambara ny Union Européenne, i France ary Allemagne fa vonona hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny fifidianana mangarahara sy demokratika izy ireo.
Noporofoin’izy ireo fahavononany izany tamin’ny alalan’ny fanambarana mahakasika ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny « basket-fund » na kitapom-bola manokana handrotsahana ireo fanampiana entina hampanjariana ny fifidianana.
Manoloana izany dia nankasitraka izao fandraisana anajaran’izy ireo izao ny filohan’ny CENI, Dama Arsène : « manamafy hatrany ny hisian’ny fifidianana hifanesy eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara izao fanohanana ara-bola izao » hoy hatrany ny tenany .
Raha ny fanazavana voaray dia hotanterahina ao anatin’ny fanajana ny soatoavina mifehy ny CENI eo am-panatanterahana ny asany ny fifidianana izay ho atao eto Madagasikara.
« Manana ny soatoavina mifehy azy ny CENI dia tsy inona izany fa : ny fanajana ny tany tan-dalàna, ny tsy fiandaniana, ny fitovian-jon’ny kandidà ary ny mangarahara » hoy ny avy amin’ny CENI.
Manaraka akaiky ny mikasika ny fizotry ny fifidianana ihany koa ireo olom-pirenena ary maneho ny heviny mikasika ny zava-misy. « Araka ny heno amin’ny vaovao etsy sy eroa dia efa maro ireo fikambanana sy firenena vahiny no hanampy antsika amin’ny fifidianana ka amiko dia tokony ho tontosa soa aman-tsara io. Ny andrasanay olom-pirenena dia ny fifidianana mangarahara ihany » hoy i Misa, mpianatra ao amin’ny FDSP.
Namoaka ihany koa ny avy amin’ny CENI fa nihena ho 80 000 tapitrisa Ariary ny tetibola ilain’izy ireo amin’ny fanatanterahana fifidianana eto Madagasikara raha toa 143 milara Ariary izany teny am-piandohana.
Miranto Andrih
