ActualitésTsidika

Antanetibe Mahazaza : Betsaka ny mpitsidika, mila mitandrina amin’ny fifamoivoizana ny rehetra

Toerana anisan’ireo be mpitsidika taorian’ny fahavitan’ny lalan’ny atody i Antanetibe Mahazaza. Mbola tsy notokanana kosa anefa izy fa efa azo ampiasaina tsara. Mila mitandrina tsara anefa amin’iny lalana iny.

« Betsaka ireo mpitsidika ny tanàna, indrindra rehefa faran’ny herinandro. Tsy vitsy ihany koa anefa ny lozam-pifamoivoizana niseho teto hatramin’izay nahavitany » hoy i Haja, mponina any Antanetibe Mahazaza. « Mila mahay ny lalàn’ny fifamoivoizana ny rehetra mpampiasa lalana. Misy mantsy ny olona, rehefa mahay mamily dia mijanona eo. Ny fandehanana mafy ihany koa mila fehezina tsara mba tsy hihoatra ny tokony ho izy » hoy i Fanja, mpahay lalàna.

« Lalana malalaka saingy sady miholana no hantsanantsana ity lalan’ny atody ity. Kodiaran-droa no tena ampiasain’ny mponina aty. Tsy misy hafa-tsy ny mitandrina ihany no azo atao » hoy ny mpitatitra iray. Maro tokoa ny loza niseho tany amin’io toerana io. Efa namoizana ain’olona mihitsy aza.

Tokony hajaina hatrany ny lalàna mifehy ny fampiasana lalana mba ho fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire