RN44 : Toaka gasy tsy ara-dalàna 480 litatra no tratra
Zava-pisotro mahamamo, toaka gasy, tsy ara-dalàna no saron’ny zandary tamin’iny lalam-pirenena faha 44 iny. Avy any Tanambe ho any Antananarivo ireto toaka gasy ireto. « Toaka gasy 480 litatra namboarina tany Tanambe no tratra. Natao tao anaty tavoahangy plastika izy ireto. Natao tao anaty baoritra taorian’ny fiara mpitondra olona avy eo » hoy ny Zandarimariam-pirenena ao Moramanga.
« Mbola voarara tokoa ny famarotana toaka gasy eto Madagasikara. Efa nisy ny tolo-dalàna mikasika ny fanomezan-dalana ny famokarana sy ny famarotana ary ny fanjifana ny toaka gasy. Nolavin’ny loholona anefa izany » hoy i Hery, mpahay lalàna. « Rehefa enjehin’ny lalàna aloha dia tokony tsy ho atao. Izay mantsy no tena lesoka eto amintsika, tsy manara-dalàna » hoy i Fy, mponina any Moramanga. Efa notanana vonjimaika ireo tompon’antoka tamin’ireto toaka gasy ireto.
Ilaina tokoa ve io lalàna fanomezan-dalana ny toaka gasy io eto amintsika ?
Nicole Rafalimananjara
