Nigéria : Efa niverina ny fampiasan’ny mponina ny tamba-jotra sosialy Twitter
Niverina nisokatra malalaka ho an’i Nigéria ny alakamisy teo ny fampiasana ny tambajotra sosialy Twitter rehefa nikatona ho an’ny firenena nandritra ny fito volana. Raha tsiahivina dia ny volana jona 2021 teo izany no nikatona nandritra ny fotoana tsy voafaritra rehefa noahiahian’ny governemanta ho nanao asa nampiahiahy manoloana ny firenena ny tamba-jotra ary noho ny fanekeny hafatra avy amin’ny vondrona mpisitaka mandrisika herisetra ao amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Nigéria.Nahazo nampiasaina ny alakamisy teo ihany ny tamba-jotra. Nanambara kosa ireo manam-pahefana nigérian fa efa am-bolana no nitady fifanarahana tamin’ny Twitter ary nanaiky ny famerenana izany rehefa nanaiky ny fepetra napetrak’i Nigéria manoloana ny hetra sy ny fitantanana tsy mifanaraka amin’ny lalàna ao Nigéria.
