Russie : Nandefa sambo mpiady enina ao amin’ny Mer Noire
Nilaza ny ministry ny fiarovam-pirenena ao Russie fa nandefa sambo mpiady enina tao amin’ny Mer Noire ny talata teo. Tamin’ny 10 ora sy 19 minitra tao an-toerana dia nanaiky tamin’i Emmanuel Macron i Vladimir Poutine fa hampiena paik’ady ara-tafika ao Ukraine.Teo amin’ny 39 minitra teo nefa dia nandefa sambo mpiady enina tao amin’ny Mer Noire ireo tompon’andraikitra ka nanamafy i Kremlin fa tsy nanaiky ny hanalefaka ny tafika izany i Russie. Tamin’ny 11 ora sy 9 minitra nefa dia nilaza i Vladimir Poutine tao fa haverina ao Russie ireo tafika ireo saingy tsy namaritra fotaoan izy.
