Literatiora Malagasy : Iza moa i Esther Randriamamonjy ?
Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy no tena anarany, vehivavy, mpanoratra, sangany ary nanana ny mahaizy nampiavaka teo amin’ny literatiora Malagasy. Teraka ny 11 Aprily 1933 tao Ambohimahasoa Fianarantsoa izy, izany hoe 89 taona izy ankehitriny.
Mpanoratra fantatra amin’ny sehatry ny haisoratra ho an’ny ankizy amin’ny alàlan’ny tantara an-tsary sy angano izy. Anisan’ny nampivaka azy ihany koa ny fandikana ireo tantara tamin’ny teny rosianina, frantsay ary anglisy ho an’ny tanora.
Iza tokoa moa raha mbola mpianatra na mpandinika no tsy hahatadidy izany boky nosoratany izany ? izay nampitombo hasina ny Literatiora malagasy. Anisan’ny asa soratra nanamarika an’i Esther Randriamamonjy ohatra Ho avy ny maraina, Sodin’i Solofo, Trano rava
Avy aminy no niaingan’ny famaritana ny atao hoe literatiora dia ny hoe « famoahan’ny olona amin’ny alalan’ny teny voasoratra na tsia ny fihetseham-pony, ny fiheviny ny maha olona ny olona, ny fifandraisany amin’ny manodidina azy ».
Mpampianatra ny teny malagasy sy frantsay ary anglisy moa izy ary efa talena sekoly ihany koa ary nisahana fanontana sy fandrafetana boky (any ivelany sy eto an-toerana).
Manitra Ramanantsoa
