ActualitésTsidika

Mandraka Ambatolaona : Fototra rongony 410 isa tra-tehaky ny mpitandro filaminana

Ny alatsinainy teo no nanao fitsidihana ifotony ny avy ao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandrarimariam-pirenena ao Ampandorandambo, Ambatoloana Mandraka, distrikan’i Manjakandrina, rehefa nahare filazana avy amin’ny olon-tsotra ny mahasika ny fambolena rongony ataona jiolahy ao an-toerana.

Rehefa nidina nanao ny fizahana ireo zandary dia nahita tokoa sahana rongony, izay mahatratra 410 fototra tamin’izany. Izay ny 110 amin’ireo dia efa maniry amin’ny tany, ny ambiny kosa mbola zanany, izay mahatratra hatramin’ny 30 kilao rehefa nongotana. Voalaza fa jiolahy rain-dahany miisa telo no tompon’ireto rongony ireto ary efa mpamatsy izany aty Antananarivo sy ny manodidina.

Tsara ny mampahatsiahy, fa anisan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy ny fandraisana zava-mahadomelina ary mitarika any amin’ny fahabibiana anaty asa ratsy. Ny 85% amin’ny mpanao  ratsy sy ny fanolanana dia midoroka zava-mahadomelina avokoa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire