Brésil : « Baia do Sancho », valan-javaboahary an-dranomasina, iray amin’ireo paradisa an-tany
Tora-pasika kely kanto dia kanto ao amin’ny helodranon’ny Fernando de Noronha ny « Baia do Sancho ». Izy no nekena ho valan-javaboahary an-dranomasin’i Brésil voalohany. Iray amin’ireo tosa-pasika 10 midadasika indrindra ao Brésil misarika mpizahan-tany sy mpiala-sasatra maro izy isan-taona.
Voahodidina hantsana ny Baia do Sancho izay ahafahana mitazana ny tora-pasika manontolo. Anisany toerana tsara hitazanana ny « dauhpin » mitsambikina ao anaty rano ihany koa izy. Ny lohataona sy ny fararano no fotoana tena tsara hitsidihana ny toerana. Maina sy malefaka ny toetr’andro amin’ireo fotoana ireo raha maina sy avy orana mivatravatra ny ririnina ary ahitana ny mari-pana ambany indrindra ao amin’ny firenena rehefa fahavaratra.
