Ambohimangakely : Nisokatra ny baolina kitra A5 misy gaolina sokajy senior
Nisokatra ny foot A5 misy gaolina sokajy senior eny Ambohimahitsy ny alahady 21 aogositra 2022 lasa teo. Marihina moa fa efa ela ity tetik’asa ity no niriana hosokafana, hoy ny tompon’andraikitra. Ao Ambohimahitsy sahan’ny Masera akaikin’ny adin’akoho lahy moa izany no nosokafana. Ity hetsika ity dia natao ho an’ny kaominina Ambohimangakely sy ny manodidina hentina hampiroboroboana hatrany ny taranja baolina kitra sy ny fanantanjahan-tena. Mbola mitohy hatrany ny fisoratana anarana any amin’ireo tompon’andraikitra ho an’ireo izay liana amn’izany. Manentana hatrany ny tanora hazoto hanao fanatanjahan-tena.
Famenontsoa Rajerison
