BAOLINA KITRA – COSAFA WOMEN’S CHAMPIONSHIP 2025
Tafavoaka ho mpandresy an’isa 1 no 0 ny Barean’i Madagasikara omaly tolakandro nanoloana an’i Namibie, nandritra ny andro voalohany izay nizotra tao amin’ny Seshego Stadium tany Polokwane Afrika Atsimo. I Christina Razanampiavy no nahatafiditra io baolina tokana io teo amin’ny minitra faha-24. Izy rahateo no voafidy ho mpilalao mendrika omaly. Azo ambara ho tsara toerana ny Barea ao amin’ny vondrona C, satria ady sahala amin’i Mozambika dia ampy hiakarany ho any amin’ny dingana manaraka.
