ActualitésDépêchesSport

𝗠𝗔𝗧𝗖𝗛𝗦 𝗗𝗘 𝗦𝗢𝗟𝗜𝗗𝗔𝗥𝗜𝗧𝗘́ 𝗧𝗢𝗔𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔

Hikarakara lalao baolina kitra hitadiavambola mba ho fanohanana ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ao amin’nu faritr’i Toamasina ny Federasiona Malagasy taranja baolina kitra. Lalao roa no hizotra eny amin’ny Elgeco Plus Stadium ny alahady 1 martsa izao hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro, dia ny fihaonan’ny Elgeco Plus amin’ny Sélection Conférence Nord ao amin’ny PFL, sy ny fifandonan’ny CFFA amin’ny Sélection Conférence Sud ao amin’ny PFL. Vidimpidirana tokana 2000ar. Ny vola rehetra voahangona mandritry io andro io dia entina hanampiana ireo mpiantsehatra rehetra eo anivon’ny kitra ao amin’ny faritr’i Toamasina, izay vao niharam-boina tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani.

Laisser un commentaire