Ambohimangakely: Nisy ny fitsidihana ireo mponina notaraihin’ny ben’ny tanàna
Tonga teny amin’ireo mponina tao amin’ny fokontany Betsizaraina sy Ambatosoratra ary Betafo , Ampilanonana, ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely, notarihin’ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna, ny faran’ny herinadro teo. Nandritra izany dia nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ireo mponina tao an-toerana izy ireo, araka ny voalaza.
“Tafiditra indrindra ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fizarana ny hazavana ho an’ny mponina isam-pokontany. Fitaovana tsy afa-misaraka amin’ny mponina ny jiro ka tsy tokony atao ambanin-javatra satria antoky ny fandriam-pahalemana ihany koa” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Zava-dehibe ho an’ny mponina ny fahazoana jiro mitondra hazavana tahaka izao. Hisaorana ireo tomponandraikitra amin’ny ezaka asehon’izy ireo ho fampandrosoana ny ety ifotony” hoy i Rémi, mponina ao Betafo, Ambohimangakely.
Olana sedrain’ny ankamaroan’ny fokontany ao an-toerana ny tsy fisiana jiro. Mbola maro ireo faritra tsy misy jiro sy maizina kanefa maro mpivezivezy izay hanaovan’ireo mponina fitarainana ihany koa izany sy handraisana fepetra.
Manitra R.
