Startup Weekend 2023: Hiresahana momba ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe ny loha-hevitra manaraka
Ho tontosaina amin’ny 17, 18, 19 Novambra izao ny Startup Weekend Antananarivo (SWAT). Eny amin’ny Institut ISS Tsiadana no hanatanterahana izany. Hiompana amin’ny loha-hevitra “Ny tanàna loavain-jafy” (vers une ville durable) ny hetsika mandritra izany. Tahaka ireo hetsika mahazatra, miara-miasa akaiky amin’ny Mvola sy ny Innov, Ny ministeran’ny paositra ny mpanatontosa ny hetsika.
“Fandaharan’asan’ny Techstars ny Startup Weekend. Atao mandritra ny telo andro, izay. Ahafahan’ireo mpandraharaha vao misandratra hiaina sahady izany tontolon’ny fandraharahana izany. Hanana fahafahana mifandray amin’ny mpamorona hafa ny mpandray anjara. Fotoana tsara fanararaotra hifandraisana amin’ireo olona mafana fo sy mazoto hanorina zava-baovao ny Startup Weekend. Tsy manam-paharoa ity fotoana ity ahazoana namana vaovao, mpiara-miasa, mpanoro hevitra, mpiara-manorina ary mpampiasa vola » hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.
« Miombona vina daholo ny mpikarakara, ny mpanohana sy ireo mpampiofana maro amin’ny Startup Weekend mikasika ny tokony hiezahan’ny mponina an-tanàn-dehibe hanatsara ny tontolo iainany, hiara-hisalahy amin’ny amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fiainana sy ny fiadanan’ny mponina tsirairay. Afaka misafidy amin’ny zana-dohahevitraa dimy ny mpandray anjara : ny asa manodidina ny fako sy fanodinana ny ny fako, ny taotrano maitso, ny asa manodidina ny rano maloto, ny fivezivezen’ny mponina an-tanàn-dehibe, ny permaculture an- tanàn-dehibe » hoy hatrany ny fanazavana.
Manome fahafahana ho an’ny mpandray anjara hifanerasera sy hifandray amin’ny olona mitovy tanjona ny hetsika Startup Weekend Education, ary hanomboka asa mitondra haivao sy mahasoa. Hahazo fampiofanana mandritra ny 54 ora ny mpandray anjara, mba hianatra izay tena ilaina amin’ny fanavaozana sy fanombohana orinasa avy amin’ireo olona efa teo.
