Alasora: Manomboka ny asa fanamboaran-dalana
Niroso tamin’ny asa fanamboaran-dalana ny avy ao amin’ny kaominina Alasora tamin’ity herinandro ity. Fanombohan’ny asa ary mitohy tsikelikely ho fanatsarana ireo foto-drafitr’asa ao an-toerana izany, araka ny voalaza.
« Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fanatanterahana ireo asa izay mifototra amin’ny filàn’ny mponina sy ho fandaminana ny tanàna, anatin’izany izao fanamboaran-dalana izao. Atao tsikelikely izany araka izay vola eo am-pelatanana amin’izao volana febroary izao » hoy ny avy amin’ny tomponandraikitry ny kaominina.
« Maro ireo lalana tokony hitondrana fanamboarana amin’izao fotoana. Miandry ny tomponandraikitra mba hitondra fanamboarana ny lalana ety an-tanimbary izahay mponina amin’izao fanombohan’ny asa izao satria mijaly, indrindra ireo mpianatra, noho ny fotaka sy ny fotoam-pahavaratra » hoy i Hasina, renim-pianakaviana.
Anisan’ny mampitaraina ny mponina ny faharatsian-dalana. Tomponandraikitra anefa ny tsirairay raha te hanana foto-drafitr’asa tsara. Amin’ny alalan’ny fandoavana hetra no ahafahan’ny kaominina mampiasa vola hanamboarana ny foto-drafitr’asa isan-karazany. Mbola olana eto amintsika anefa ny fanefana sy fandoavana izany noho ny antony maro.
