Israel : Mbola manomana ny drafitra hanafihana an’i Rafah na dia eo aza ny fifampitandremana nataon’ny iraisam-pirenena
Tsy manaiky hilavo lefona, fa hanohy ny ady hatrany madrapivoaka azy ho mpandresy i Israely, na dia eo aza ny fahavoazana nahazo ity firenena ity, noho ny daroka baomba nataon’i Rafah, izay nahafatesana olona am-polony, tamin’ity herinandro ity. Mbola manoma drafitra amin’ny fanafihana hatrany ity firenena ity, na dia efa nahazo fampitandremana avy amin’ny iraisam-pirenena aza ireo firenena amin’ny fampitsaharana ny ady. Ny alarobia teo, nandefa baomba tao atsimon’i Liban i Israely, maherin’ny 9 ireo Libaneanina maty nandritra izany, araka ny vaolaza. Ny anton’ny fanafihana dia valifaty vokatry ny fahafatesana miaramila iray ka niteraka indray ny ady eo amin’ny Israely sy Hamas. Marihina fa efa potiky ny ady tanteraka ny tanàna any atsimon’i Gaza ity.
