Etats-Unis : Nametraka fitoriana vaovao an’i Amazon ny tambazotra sosialy Parler.
Miampanga an’i Amazon ho mpanala-baraka, mpanitsakitsaka ny fifanarahana ary ny fomba fanao amin’ny sehatry ny fanoherana sy ny fanehoan-kevitra ny tambazotra sosialy Parler. Mpanohana ny filoham-pirenena amerikana teo aloha Donald Trump ny Parler. Ny talata 02 martsa lasa teo no nametrahan’izy ireo ny fitoriana. Efa nisy ihany koa ny fiampangan’ny Parler an’I Amazon tamin’ny voalohany. Anton’izany ny fanapahana ny fahafahana miditra amin’ny “serveurs” an’izy ireo. Tsy afaka niditra tamin’ny tranonkala an’I Apple sy Google ihany koa ny Parler ny volana janoary lasa teo. Antony nadrarana azy ireo ny fisian’ny votoatin-dresaka mety hitarika korontana sy ny tsy fisian’ny fandrindrana ao amin’ity tambazotra sosialy ity, nandritra ireo korontana tao Capitol. Miampanga an’I Amazon ho “manenjika ireo fanehoan-kevitra hitany ho fandrahonana azy” ny Parler raha nametraka fitarainana tao amin’ny fitsarana ao Washington (avaratra andrefana). Etsy ankilany, nanambara tamin’ny AFP kosa ny Amazon fa tsy mitombona ny fitoriana ataon’I Parler amin’izy ireo. Taorian’ny fihetsiketsehana niseho tao Washington ny 6 janoary lasa teo no nandraisan’izy ireo ny fanapahan-kevitra mahakasika an’i Apple sy Google. Fihetsiketsehana izay saika nanakanan’ireo mpanohana an’I Donald Trump ny fanamarihana ny fandresen’I Joe Biden. Mbola andrasana indray arak’izany izay ho fanapahan-kevitry ny avy eo anivon’ny fitsarana ao Washington manoloana ity raharaha ity
