Hankalaza ny faha 25 taonany ny tarika Ny Ainga
Eo amin’ny Plaza Ampefiloha no hanatanterahan’ny tarika ny Ainga ny fankalazana ny faha-25 taonany ny sabotsy 7 aogositra izao. Manomboka amin’ny 4 ora sy sasany hariva ny hetsika ary hampitondraina ny anarana hoe « 25 taona milay ». Hizara telo ny fankalazana, ny fihirina ireo hira nahafantarana ny tarika nandritra ny « 10 taona milay », nandritra ny « 20 taona milay » ary ny hira tsy afaka am-bavan’ny maro amin’izao « 25 taona milay » izao.
Raha tsiahivina dia niforona tamin’ny taona 1994 ny tarika. « Aina ho an’ny Gasikara » no hevin’ny anarana hoe Ny ainga hoy Rabesaiky Luc Marie, mpintanana ny tarika. « Ny ankafizim-bahoaka ao am-pamafazana ny Revy manja, vazo milay no tanjona amin’ity fankalazana ny faha 25 taona ity » hoy izy hatrany.
Mampiavaka ity fankalazana ny faha 25 taona ity ny fanaovana tsangam-bato ho an’i Om Guy any amin’ny toerana toerana niaviana any ambanivohitr’Ambohimahasoa. Eo ihany koa ny tolotra manokana atao ary ny ezaka hankalazana ny faha 25 manerana ny nosy.
Hasina Rasamimanana
