Voaray ho mpiasa raikitra ireo mpiasa « ECD » ao amin’ny ministera.
Notolorana tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo ny laharana maha mpiasa raikitra ireo mpiasa manana ECD (« Emploi de Courte Durée ») ao amin’ny Ministera. 37% ny mpiasa ao amin’ny Ministera no voakasik’ity fiovana sata ity. Raha tsiahivina dia ny 8 jolay teo no nirosoan’ny Minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra tamin’ity fikarakarana ny famadihana ny ECD ho ELD (« Emploi de Longue Durée ») sy EFA (« Emploi de Fonctionnaire et Assimilé ») ity.
Nifanarahana tamin’izany fa ireo ECD no avadika ho ELD ary ireo manana mari-pahaizana « bacc+2 » mihoatra sy ireo efa niasa mihoatra ny enin-taona no hafindra EFA. Na izany aza anefa nanome fanamarihana ny ao amin’ny CDE (Contrôle des Dépenses Engagés) eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny fitatanam-bola fa « tsy maintsy mandalo ELD mandritra ny fotoana tsy voafetra ireo ECD nahavita enin-taona raha toa izy ireo ka tsy manana maripahaizana ankohatry ny Bakalorea ».
« Misaotra ireo mpiara-miasa rehetra nahafahana namita ny fikarakarana ny taratasin’ireo ECD navadika ho EFA sy ELD.Ao anatin’izany ireo mpiara-miasa ao amin’ny Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Ministeran’ny Asa, ny Fampanana Asa, ny Asam-panjakana ary Lalàna Sosialy, indrindra ny fitaleavana miasahana ny mpiasa eto amin’ny Ministera », hoy ny voalohatenin’ny Minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra, Ramaherijaona Andriamanohisoa. « Fitiavan-tanindrazana amin’ny alalan’ny fandraisana anjara bebe kokoa amin’ireo asa ankinina aminy ny ministera » no andrasana amin’ireo nandray io laharana io kosa hoy ny tompon’andraikitra.
Hasina Rasamimanana
