Mayotte : Aiza ho aiza ny tetik’asa Wuambushu ?
Raha tsiahivina dia hetsika fandroahana ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna monina ao Mayotte sy fandravana ireo « bidonvilles » ny hetsika Wuambushu izay midika hoe « reprise » amin’ny fiteny ao an-toerana. Maro ireo fikambanana sy vondrona samihafa misokajy io hetsika io ho herisetra sy fankahalana ny mahantra ary fanitsakitsahana ny zon’olombelona.
Tsy nataon’ireo tompon’andraikitra nahasakana ny hetsika nefa izany. Nanomboka ny 22 may dia trano 162 no noravana tao Talus 2 izay « bidonvilles » lehibe indrindra ny faritany frantsay aty amin’ny ranomasimbe indianina. Nanomboka ny fiandohan’ny volana teo dia nitohy tao avaratra atsinanan’ny nosy ny fandravana. Toerana izay hanorenan’ireo mpifindra monina, indrindra avy ao Comores trano tsy ara-dalàna.
