ActualitésTsidika

Sahamamy Brickaville : Eo andalam-pahavitana ny « aire de repos »

Mamarana ny asa tanteraka ny orinasa miandraikitra ny asa eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fitaterana amin’ny fananganana ny toerana fakana aina (aire de repos) eo amin’ny Lalam-pirenena RN2 ao Sahamamy, Kaominina Ranomafana Brickaville.

Ity toerana ity dia natokana hialan’ireo mpandeha amin’ny fiara fitaterana sasatra sy hividianana voandalana ary hisakafoanana, hoy ny avy ao amin’ny Ministera. « Mbola betsaka ny asa ho an’ity RN2 ity satria tsy ho ela izao dia hisy ny fanarenana ny lalam-pirenena RN2 – izay hita fa tena simba tanteraka eo anelanelan’i Moramanga sy Toamasina – taorian’ny fanomezan’ny Banky Iraisam-pirenena ny famatsiambola vao herinandro lasa izay. Ary tafiditra ao anatin’ireo lalana mirefy 1 200 km ho arenina ny RN2 » hoy ny minisitry ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro, Joël Randriamandranto.

« Mandreraka ny mivoyage ho an’ireo tsy zatra koa tsara mihitsy ny fijanonana tsikelikely no sady mankafy ny natiora enyv an-dalana » hoy i Richard, mpitatitra amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. « Mety aminay mihitsy ny tahaka izao satria mila maka aina rehefa mandeha lavitra » hoy i Volatiana, mpitarika mpizaha tany.

Efa tsy ho ela noho izany dia hisitraka izao toeram-pakana aina ho an’ny mpandeha izao izy ireo. Tsy nanavahana olona akory izany fa isika rehetra no afaka mampiasa izany noho izany dia fananana iombonana io ka tokony hajaina hatrany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire