Anjeva : Manomboka ny hetsika fitsidihana ireo EPP ao anatin’ny kaominina
Ny tao amin’ny EPP Ankadiefajoro no nisantaran’ny ao amin’ny fiadidiana ny kaominina Anjeva gara, izay tarihin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana, ny fitsidihana ireo sekolim-panjakana ao an-toerana. Mandritra izany fitsidihana izany ihany koa no hizarana biscuit ho an’ireo mpianatra.
« Ny tanjona amin’izao hetsika izao dia sady mitsidika ny sekoly no manome lanja ny fanabeazana ety amin’ny tontolo ambanivohitra ary indrindra mizara amin’ny ireo mpianatra mba hazoto sy ho tia mianatra » hoy ny ben’ny tanànan’Anjeva.
« Faly ireo mpianatra mahazo tohan’aina, faly ihany koa fa mahatsiaro manana raiamandreny mpiahy sy mitondra tohan’aina ho azy ireo. Fihetsika izay manohana ny lafin’ny fampianarana ny fitsidihana sy fanolorana fanomezana tahaka izao, anisan’ny manampy azy ireo hazoto hianatra, mampavitrika azy hanao ezaka hatrany » hoy ireo mpampianatra.
Mahazo ny anjarany avokoa ireo sehatra sy ambaratonga amin’ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra ao an-toerana. Hirariana tokoa ny hitohizan’ny hetsika hatrany mba ho taratry ny fandrosoana sy ny fampandrosoana ho an’ny rehetra. Ny EPP Ankadiefajoro moa izay misy mpianatra 112, izay miisa 32 ny “préscolaire” ary ny miisa 80 “primaire”.
Manitra Ramanantsoa
