ActualitésTsidika

Cop 27 : Nahazo famatsiam-bola hanatsarana ireo fitaovam-pandrefesana toetr’andro i Madagasikara

Mandray anjara amin’ny Cop 27 izay atao any Egypte ny solontenan’ny firenena Malagasy, tarihin’ny Filoham-pirenena. Niompana tamin’ny resaka famatsiam-bola ny lohahevitra ny 9 sy 10 novambra teo. Hisitraka izany ihany koa i Madagasikara, izay nahazo famatsiam-bola ho fanatsarana ny fitaovam-pandrefesana ny toetr’andro. Ho ampiasaina eo anivon’ny Meteo Madagasikara noho izany ity vola ho azo ity, ahafahana manatsara ny vokatra.

« Zava-dehibe sy maro ny tombony ho azo amin’ny fahazoana ity famatsiam-bola ity. Raha tsy hiresaka afatsy ny mba hahazoana vokatra mari-pototra sy ara-potoana ka ahafahana miomana mialoha hiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro sy ireo loza voajanahary isan-karazany », hoy ny Tale Jeneralin’ny Foibe Famantarana ny Toetrandro.

« Manana tombony isika nahazo izao famatsiam-bola izao. Miantehatra amin’ny famantarana ny toetr’andro ny asanay rehefa fotoanan’ny fahavaratra toy izao ka hahafahana mandray fepetra mialoha dia ilaina izao famatsiam-bola izao », hoy ny tale mpandrindra ny BNGRC

Manana andraikitra ny sampana mpamantatra ny toetr’andro hampiomana amialoha ny mponina any amion’ny faritra ahiana ka ilaina noho izany ny fanavaozana ny fitaovana ahafahana mampiomana mialoha mba hilana amin’ny vokadratsy toy ny fandalovan’ny rivo-doza farany teo izay namela takaitra mafy ho an’ireo mponina tany amin’ny faritra atsimo Atsinanana iny.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire